Lavoro estero
FJKM : KOLEJY PROTESTANTA PAUL MINAULT (FFPM) : 125 TAONA
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fankalazana ny faha-125 taona nisian’ny Institut Supérieur Protestant Paul Minault

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fankalazana ny faha-125 taona nisian’ny Institut Supérieur Protestant Paul Minault, tamin’ny alalan’ny fotoam-pivavahana lehibe. Araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra, laharam-pahamehana hatrany ao amin’ny sekoly ny fanabeazana ara-panahy sy ny fanofanana ny toetra maha-olona.
Fahitsiana, fahamarinana ary fandraisana andraikitra no soatoavina ijoroan’ny sekoly nandritra ny taona maro, ka tanjona ny fanabeazana feno ara-batana, ara-tsaina ary ara-panahy. Ho mariky ny jobily, hatsangana ireo fotodrafitrasa vaovao toy ny laboratoire sy ny trano informatika, na dia mbola olana aza ny famatsiam-bola.
Haharitra herintaona ny fankalazana ary hofaranana amin’ny 22 Janoary 2027. Antso avo no atao amin’ireo zanaky ny sekoly sy ny mpanohana mba hiara-hanohana ny tetikasa, ho tombontsoan’ny taranaka ankehitriny sy ho avy.